Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
Genesisy 49:33 - Baiboly Katolika Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany. DIEM PROTESTANTA Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanani-lahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ny razany. Malagasy Bible Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany. La Bible en Malgache Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany. |
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Ismaely. Dia niala aina izy ka maty, ary nakambana tamin’ny razany.
ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.
Ary i Jakôba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: «Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any an-parany any:
Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,
Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.
Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»
Maty i Elisea ka nalevina. Tamin’ny fitsingerenan’ny taom-baovao dia nisisika tamin’ny tany ny andian-jirika Moabita.
Satria, fantatro izany, fa entinao ho amin’ny fahafatesana aho; any amin’ny ifamotoanan’ny manana aina rehetra.
Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
Ny finoana no nilazan’i Josefa ny hialan’ny zanak’i Israely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ny taolam-balony.
ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,