Genesisy 49:32 - Baiboly Katolika Tamin’ny taranak’i Heta, no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny saha sy ny zohy ao anatiny dia novidina tamin’ny taranak’i Heta. DIEM PROTESTANTA Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidîna tamin’ny Hetita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidîna tamin’ny Hetita. Baiboly Protestanta Malagasy ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ny taranak’i Heta. Malagasy Bible ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta. La Bible en Malgache Ny saha sy ny zohy ao anatiny dia novidina tamin’ny taranak’i Heta. |
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Lià.
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.