Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›
Genesisy 49:24 - Baiboly Katolika Mateza hery anefa ny tsipîkany. Tonga mailaka ny sandry aman-tanany, avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakôba, ilay Mpiandry sy Vatolampin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely, DIEM PROTESTANTA Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa mateza hery ny tsipìkany, Ary mailamailaka ny sandrin-tànany, Avy amin’ny tànan’Ilay Maherin’i Jakoba. Dia avy ao amin’ny Mpiandry, Izay Vatolampon’ny Isiraely, Malagasy Bible Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely, La Bible en Malgache kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely, |
Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.
Ka nampandehanin’Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin’ny tany sy hampaharitra anareo ho amin’ny fanavotana lehibe.
Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.
Dia nitso-drano an’i Josefa izy, ka nanao hoe: «Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan’i Abrahama sy i Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak’ankehitriny,
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Ataovy ambonin’ny tsipìka ny tananao.» Nony nanao ny tanany ambonin’ny tsipìka izy, dia napetrak’i Elisea teo ambonin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany, ka hoy izy:
Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»
Ny voninahitro hihavao mandrakariva, ary ny tsipìkako hihahenjana indray eny an-tanako›.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy:
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Ka noho izany - Teny ton’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: - Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho, sy hamaly an’ireo fahavaloko.
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!
Hitsentsitra ny rononon’ny firenena ianao, sady hitsentsitra ny nonon’ny mpanjaka, dia ho fantatrao fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.
Hampahereziko ao amin’i Iaveh izy ireo, ka handeha amin’ny Anarany. - teny marin’i Iaveh. -
Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy; maso fito no amin’izay vato tokana izay; indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary hoesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity!
Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro ; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
Fa nibanjina azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: Inona àry ity voasoratra ity: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro?
Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.
Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.
Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeanina na manan-kalesy vy sy mahery aza azy.»