Genesisy 47:28 - Baiboly Katolika Fito ambin’ny folo taona no andro niainan’i Jakôba tany amin’ny tany Ejipta. Ary fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fito amby folo taona ny andro niainany tao amin’ny tany Ejipta; noho izany ny andro rehetra niainan’i Jakoba dia fito amby efapolo amby zato taona. DIEM PROTESTANTA Niaina fito ambin’ny folo taona tany Ejipta i Jakôba, ka ny androm-piainany dia nahatratra fito amby efapolo amby zato taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niaina fito ambin’ny folo taona tany Ejipta i Jakôba, ka ny androm-piainany dia nahatratra fito amby efapolo amby zato taona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny andro niainan’i Jakoba tao amin’ny tany Egypta dia fito ambin’ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan’i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. Malagasy Bible Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. La Bible en Malgache Fito amby folo taona ny andro niainany tao amin’ny tany Ejipta; noho izany ny andro rehetra niainan’i Jakoba dia fito amby efapolo amby zato taona. |
Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.
Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!