Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Faraôna izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.»
Genesisy 47:20 - Baiboly Katolika Dia lasan’i Josefa ho an’i Faraôna ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejiptianina samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, hany ka tonga fananan’i Faraôna ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany Ejipta manontolo; fa samy nanakalo ny sahany avy ny Ejiptiana, satria mafy tamin’izy ireo ny mosary. Koa lasan’i Farao ny tany. DIEM PROTESTANTA Dia novidîn’i Jôsefa ho an’ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan’ny Farao avokoa ny tany manontolo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novidîn’i Jôsefa ho an’ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan’ny Farao avokoa ny tany manontolo; Baiboly Protestanta Malagasy Dia notakalozan’i Josefa ho an’i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan’i Farao ny tany. Malagasy Bible Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany. La Bible en Malgache Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany Ejipta manontolo; fa samy nanakalo ny sahany avy ny Ejiptiana, satria mafy tamin’izy ireo ny mosary. Koa lasan’i Farao ny tany. |
Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Faraôna izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.»