Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»
Genesisy 44:30 - Baiboly Katolika Koa ankehitriny raha hiverina any amin’ny mpanomponao aho, any amin’ikaky, nefa tsy hiaraka aminay ny zaza, nefa nifaningotra aina amin’ny zaza izy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho ka tsy tafaraka aminay ny zaza, nefa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’io, DIEM PROTESTANTA Ary ankehitriny ahoana no hodiako any amin’i dada, kanefa tsy miaraka aminay io zatovo io? Fa ny ain’i dada dia miankina amin’ny ain’io zatovo io; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ankehitriny ahoana no hodiako any amin’i dada, kanefa tsy miaraka aminay io zatovo io? Fa ny ain’i dada dia miankina amin’ny ain’io zatovo io; Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’ny zaza), Malagasy Bible Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza), La Bible en Malgache Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho ka tsy tafaraka aminay ny zaza, nefa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’io, |
Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»
Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›
Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: ‹Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan’izay ny rainy dia ho faty tokoa.›
raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin’alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin’ny fonenan’ny maty.
Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjò an’ikaky izany!»
Nony tapitra niteny tamin’i Saola i Davida, dia raiki-pitia tamin’ny fanahin’i Davida ny fanahin’i Jônatasy, ka tia azy toy ny ainy i Jônatasy.
Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao: ny ain’ny tompoko ho voafehy ao amin’ny fehezan’ny velona ao amin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny ain’ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin’ny foitran’antsamotady.