Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:20 - Baiboly Katolika

Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izahay tamin’itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ny rainy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy.

Jereo ny toko



Genesisy 44:20
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.


Nifampiteny toy izao izy ireo: «Indry erỳ ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny.


Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.


Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»


Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»


Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»


Zanak’i Benjamina: i Bela, i Bokora, i Asbela, i Jerà, i Naamàna, i Esỳ, i Rôsa, i Mofima, i Ofima, ary i Areda.


Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao; ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.


Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray ireniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.