Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:4 - Baiboly Katolika

Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamîna, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamîna, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao.

Jereo ny toko



Genesisy 43:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy: «Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any ianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.»


ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain’izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: «Mandehana indray mividy hanina kely ho antsika.»


Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.


Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»


dia izao no navalinay: ‹Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.›