Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:32 - Baiboly Katolika

Dia naroso manokana ny an’i Josefa, ny an’ireo rahalahiny koa manokana; ny an’ireo Ejiptianina niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin’ny Hebrio ny Ejiptianina, fa fahavetavetana ho an’ny Ejiptianina izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Norosoana sakafo mitokana i Jôsefa, natao mitokana ny an’ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin’ny Hebreo satria fady izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Norosoana sakafo mitokana i Jôsefa, natao mitokana ny an’ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin’ny Hebreo satria fady izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, ary mitokana ny ho an’ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an’ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin’ny Hebreo, fa fahavetavetana amin’ny Egyptiana izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany.

Jereo ny toko



Genesisy 43:32
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.


Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.»


Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»


Vao niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nivavaka tamin’i Iaveh;