Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.
Genesisy 43:30 - Baiboly Katolika Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana i Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an’efitranony izy dia nitomany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala haingana i Josefa fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny ka nitady toerana hitomaniany izy; dia niditra tao amin’ny efitrano iray izy dia nitomany tao. DIEM PROTESTANTA Feno loatra ny fon’i Jôsefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin’ny efitranony ary nitomany tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno loatra ny fon’i Jôsefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin’ny efitranony ary nitomany tao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. Malagasy Bible Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. La Bible en Malgache Dia niala haingana i Josefa fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny ka nitady toerana hitomaniany izy; dia niditra tao amin’ny efitrano iray izy dia nitomany tao. |
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.
dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Niteny tamin’izay ity vehivavy tompon’ny zaza velona; fa nahatsiaro mangoraka ny fony noho ny amin’ny zaza, ka hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Tompokolahy ô, omeo azy re ny zaza velona; fa aza dia vonoina!» Fa hoy kosa ity anankiray: «Aoka tsy ho ahy, tsy ho anao, fa zarao.»
Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy Aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy? Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -
Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.
Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy, tamin-dranomaso!»
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?