Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:29 - Baiboly Katolika

Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanakalahin’ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka!

Jereo ny toko



Genesisy 43:29
22 Rohy Ifampitohizana  

Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.


Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»


Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»


Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.›


Koa amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain’i Faraôna sy ho tompon’ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.


Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony ianareo, fa ianareo no efa voafidin’i Iaveh hanoloana Azy, hanompo Azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho Azy.»


Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony Izy; mamindra fo sy miantra i Iaveh.


Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.


Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.


Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.


Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.


Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.


Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh.


Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»


Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.


Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.


mamangy an’i Timote, tena zanako amin’ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!


Mahareta amin’ny fitiavana toy ny mpiray tam-po.


Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»