fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
Genesisy 43:24 - Baiboly Katolika Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon’i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra izy ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny. DIEM PROTESTANTA ka nasainy niditra tao an-tranon’i Jôsefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nasainy niditra tao an-tranon’i Jôsefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampiridin-dralehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. Malagasy Bible Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. La Bible en Malgache Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny. |
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
«Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.»
Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary i Labàna kosa nanesotra ny laselin’ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an’ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’i Simôna hoe: «Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.