Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Genesisy 42:37 - Baiboly Katolika Dia hoy i Robena tamin-drainy: «Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao i Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Robena niteny tamin’ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. Malagasy Bible Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. La Bible en Malgache Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. |
Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»
Izaho no hiantoka azy; eo an-tanako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin’ny andro rehetra hiainako aho.
Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko?