Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.
Genesisy 41:52 - Baiboly Katolika ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ny zandriny kosa dia nataony hoe Efraima; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako. DIEM PROTESTANTA Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako. La Bible en Malgache Ny anaran’ny zandriny kosa dia nataony hoe Efraima; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako. |
Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.
Hohasoavin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie ianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro.
Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»;
Taorian’izany nisy tonga nilaza tamin’i Josefa hoe: «Indro marary i rainao.» Nentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima zanany mirahalahy.
Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,
I Josefa no solofon-kazo mahavokatra, solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy; Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
Kôpy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjò an’i Josefa.
Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.
Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.
Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.