Ny omby vavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany.
Genesisy 41:27 - Baiboly Katolika Ny omby vavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main’ny rivotra avy any atsinanana koa, dia ho fito taona mosarena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia taona fito; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana dia ho taona fito mosarena. DIEM PROTESTANTA Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy izay niakatra tafara sy ny salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana dia manambara fito taona koa, saingy fito taona mosarena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy izay niakatra tafara sy ny salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana dia manambara fito taona koa, saingy fito taona mosarena. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main’ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena. Malagasy Bible Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena. La Bible en Malgache Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia taona fito; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana dia ho taona fito mosarena. |
Ny omby vavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany.
Nanaraka ireo indray dia indreto omby vavy fito hafa ratsy tarehy, mahia niakatra avy ao amin’ny ony, dia nankeo anilan’iretsy omby vavy efa teo amoron’ny ony rahateo.
Ilay vehivavy maty anaka novelomin’i Elisea, dia efa nilazany hoe: «Miaingà ianao, ka mandehana mitoetra any amin’izay azonareo itoerana any, ianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary I Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taona amin’ny tany.»