Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 39:19 - Baiboly Katolika

Nony ren’ny tompon’i Josefa ny tenin’ny vadiny nanao hoe: «Izany no nataon’ny andevolahinao tamiko,» dia nirehitra ny fahatezerany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tezitra mafy ilay tompon’i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn’ny vadiny izay nataon’ny mpanompony taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.

Jereo ny toko



Genesisy 39:19
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanandra-peo niantsoantso aho, ka dia navelany teo anilako ny lambany, ary nandositra any alatrano Akora izy».


Izaho no rain’ny kamboty; ary nandinika tamim-pitandremana ny adin’ny olon-tsy fantatra.


ho nateliny velona mihitsy isika, raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;


Izay mandahatra aloha toa marina; fa tamy ny an-daniny, dia dinihina ny ady.


Raha mihaino teny lainga ny mpanapaka, dia ratsy fanahy avokoa ny mpanompony.


Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.


Fa hoy ny navaliko azy ireo: ‹Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.


Hany ka anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo, hinoany ny lainga,