Ary hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin’ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon’ny tany rehetra,
Genesisy 38:8 - Baiboly Katolika Dia hoy i Jodà tamin’i Onàna: «Mandehana amin’ny vadin-drahalahinao, ento loloha izy, mba hamelomanao maso ny rahalahinao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Joda tamin’i Onana: Aoka ianao hanambady ny vadin’ny rahalahinao ka tanteraho ny adidinao amin’ny maha rahalahin’ny maty anao mba hamelomanao maso azy. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Joda tamin’i Onàna: –Mandehana mankany amin’ny vady navelan’ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Joda tamin’i Onàna: –Mandehana mankany amin’ny vady navelan’ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Joda tamin’i Onana: Vadio ny vadin’ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao. Malagasy Bible Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao. La Bible en Malgache Dia hoy i Joda tamin’i Onana: Aoka ianao hanambady ny vadin’ny rahalahinao ka tanteraho ny adidinao amin’ny maha rahalahin’ny maty anao mba hamelomanao maso azy. |
Ary hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin’ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon’ny tany rehetra,
Aza manokatra ny fitanjahan’ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan’ny rahalahinao izany.
Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?