Fantatr’i Jakôba fa izy io, ka hoy izy: «Ny akanjon-janako tokoa. Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa.»
Genesisy 38:26 - Baiboly Katolika Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia fantatr’i Joda ireo ka hoy izy hoe: Marina noho izaho izy satria tsy nomeko ho vadiny i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. DIEM PROTESTANTA Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. Malagasy Bible Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. La Bible en Malgache Dia fantatr’i Joda ireo ka hoy izy hoe: Marina noho izaho izy satria tsy nomeko ho vadiny i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. |
Fantatr’i Jakôba fa izy io, ka hoy izy: «Ny akanjon-janako tokoa. Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa.»
Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Dia nanangan-day teo ambonin’ny tafon-trano i Absalôma ka nandeha tamin’ny vaditsindranon-drainy, teo imason’i Israely rehetra, i Absalôma.
Nody tao an-tranony tao Jerosalema i Davida ary nalain’ny mpanjaka ny vaditsindranony folo, izay napetrany hiandry trano, ka nataony teo amin’ny trano anankiray nasiana fiambenana. Niantohany ny fiveloman’ireo, nefa tsy nandeha taminy intsony izy, ka voahiboka mandra-pahafaty izy ireo, dia nitoetra nanano-tena.
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’i Iaveh: «Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin’ikaky no hasian’ny tananao!»
Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy ianao, nony mba trany ianao izao, dia manary toky kosa!
Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.»
Aoka ianao koa hitondra ny henatrao, izay nailikao tamin’ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho ianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa ianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao.
Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka; ary hangìna Ianao, raha mihinana ny marina ho izy, ny ratsy fanahy?
Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao,
Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: «Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!» Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.
Hoy izy tamin’i Davida: «Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao.