Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:14 - Baiboly Katolika

Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy ary nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima izay eo amin’ny lalana mankany Timna. Satria hitan’i Tamara fa efa lehibe i Sela nefa izy tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin’i Henaîma, amin’ny lalana mankany Timnà. Hitan’i Tamara manko fa efa lehibe i Selà, kanefa tsy nomena ho vadiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin’i Henaîma, amin’ny lalana mankany Timnà. Hitan’i Tamara manko fa efa lehibe i Selà, kanefa tsy nomena ho vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima, izay eo amin’ny làlana mankany Timna; satria efa hitan’i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy ary nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima izay eo amin’ny lalana mankany Timna. Satria hitan’i Tamara fa efa lehibe i Sela nefa izy tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela ihany.

Jereo ny toko



Genesisy 38:14
9 Rohy Ifampitohizana  

ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»


Nony nahita azy i Jodà, dia nataony ho vehivavy janga izy, fa nisaron-doha;


Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niakanjoany indray ny akanjony fitondran’ny mpitondratena.


Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy.


Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray manao fitafian’olon-janga, manafin-kevitra am-po.


mbetika erỳ an-dalam-be, mbetika erỳ amin’ny kianja, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.


Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;


Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.