Genesisy 36:34 - Baiboly Katolika Maty i Jôbaba, dia Hosama, avy amin’ny tanin’ny Temanita, no nanjaka nandimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa maty i Jobaba dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy tamin’ny tanin’ny Temanita. DIEM PROTESTANTA Rehefa maty i Jôbaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy ao amin’ny faritanin’ny Temanita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa maty i Jôbaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy ao amin’ny faritanin’ny Temanita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ny tanin’ny Temanita. Malagasy Bible Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita. La Bible en Malgache Rehefa maty i Jobaba dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy tamin’ny tanin’ny Temanita. |
Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,
Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
Nony nandre ny loza rehetra nanjò an’i Jôba ireo sakaizany telo lahy: i Elifaza avy any Temàna, i Baldada avy any Sohe, ary i Sôfara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin’ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.