Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 35:10 - Baiboly Katolika

Hoy Andriamanitra taminy: «Jakôba no anaranao, nefa tsy hatao Jakôba intsony ianao, fa Israely no ho anaranao.» Dia nataony hoe Israely no anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa hatao hoe Israely. Dia nataony hoe Israely ny anarany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary nitenany hoe: –I Jakôba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon’Andriamanitra hoe Israely ny anarany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary nitenany hoe: –I Jakôba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon’Andriamanitra hoe Israely ny anarany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely no anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa hatao hoe Israely. Dia nataony hoe Israely ny anarany.

Jereo ny toko



Genesisy 35:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.


ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.


Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.


Naka vato 12 i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’i Iaveh hoe: «I Israely no ho anaranao.»


Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.


Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny, ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.