ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.
Genesisy 34:27 - Baiboly Katolika Ny maty, nosavàn’ireto zanak’i Jakôba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nankeny amin’ny faty ny zanak’i Jakoba ka namabo ny tanàna noho ny nandotoan’i Sekema ny anabaviny. DIEM PROTESTANTA Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanak’i Jakoba nankeny amin’ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny. Malagasy Bible Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny. La Bible en Malgache Ary nankeny amin’ny faty ny zanak’i Jakoba ka namabo ny tanàna noho ny nandotoan’i Sekema ny anabaviny. |
ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.
Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hemora sy i Sikema, zanany, ary naka an’i Dinà tao an-tranon’i Sikema izy, dia lasa nivoaka.
Nahorony avokoa na ondry na omby na ampondra, na ny tao an-tanàna, na ny tany an-tsaha.
Fa hoy ny navalin-dralehilahy: «Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejiptianina?» Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: «Misy mahalala tokoa ilay zavatra.»
Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an’ala, fa ny fiadiana no hatainy; hamabo an’izay namabo azy izy; ary handroba an’izay nandroba azy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: «Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy, ka ny herinao hendahany aminao; ary ny lapanao ho voaroba.»
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.
Hitako tamin’ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voaafina any ambanin’ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany.»