Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.
Genesisy 33:12 - Baiboly Katolika Ary hoy i Esao: «Ndao àry arosoy ny diantsika fa izaho no hiroso eo alohanao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Esao: Aoka hiainga isika ka handeha eo anilanao aho. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Hesao hoe: –Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Hesao hoe: –Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho. Malagasy Bible Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho. La Bible en Malgache Ary hoy i Esao: Aoka hiainga isika ka handeha eo anilanao aho. |
Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.
Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.