Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Genesisy 31:12 - Baiboly Katolika ‹Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin’ny ondry vavy, satria hitako ny nataon’i Labàna taminao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy sy ny osivavy, satria hitako izay rehetra nataon’i Labana taminao. DIEM PROTESTANTA Ka hoy izy tamiko: «Jereo fa ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy na osivavy, dia sadìka sy maramara ary sada avokoa, satria efa hitako izay rehetra nataon’i Labàna taminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy izy tamiko: «Jereo fa ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy na osivavy, dia sadìka sy maramara ary sada avokoa, satria efa hitako izay rehetra nataon’i Labàna taminao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon’i Labana taminao. Malagasy Bible Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao. La Bible en Malgache Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ny ondrivavy sy ny osivavy, satria hitako izay rehetra nataon’i Labana taminao. |
Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»
Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy, Ianao no iankinan’ny malahelo; mamonjy ny kamboty Ianao.
izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»
Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.
Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatrany amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely, ary efa hitako ny fahoriany atambesatry ny Ejiptianina amin’izy ireo.
Tena soa kokoa ho an’ny tany, raha dinihina tsara, ny hananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.
Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.
Efa hitako ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta ianao.› »
Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrao fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo sy ianareo, any an-danitra.
Omeo androtr’iny ihany ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany trosa izany, fa mahantra izy, ka andrasan’ny fanahiny izany; raha tsy izany dia hotaraininy amin’i Iaveh ianao, ary hahazo fahotana.