Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio; ka havahako ny sada sy ny mara rehetra mbamin’ny mainty rehetra amin’ny zanak’ondry; ary ny sada sy ny mara amin’ny osy, dia ireo no ho karamako.
Genesisy 30:33 - Baiboly Katolika Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako ianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary tsy mainty eo amin’ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ny ho avy rehefa tonga ianao handinika ny karamako: Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ny zanak’ondry, dia ho nangalariko. DIEM PROTESTANTA Amin’ny andro ho avy, mba hizahanao ny fahamarinako, dia tongava hijery ny karamako, ka izay rehetra tsy misy sada na maramara ao amin’ny osy ary vandambandana ao amin’ny ondry dia biby nangalarina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny andro ho avy, mba hizahanao ny fahamarinako, dia tongava hijery ny karamako, ka izay rehetra tsy misy sada na maramara ao amin’ny osy ary vandambandana ao amin’ny ondry dia biby nangalarina. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ny andro ho avy, raha tonga hianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin’ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ny ondry, dia ho halatro izany. Malagasy Bible Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany. La Bible en Malgache Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ny ho avy rehefa tonga ianao handinika ny karamako: Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ny zanak’ondry, dia ho nangalariko. |
Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio; ka havahako ny sada sy ny mara rehetra mbamin’ny mainty rehetra amin’ny zanak’ondry; ary ny sada sy ny mara amin’ny osy, dia ireo no ho karamako.
Efa nisava ny entako rehetra ianao izay, ka inona no fanaka avy any an-tranonao hitanao tao? Asehoy eto anatrehan’ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany hitsarany antsika mianaka.
Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh, namaly ahy araka ny hadiovan’ny tanako.
hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.
Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay:
Samy hovalian’i Iaveh araka ny fahitsiany amam-pahamarinany avy; fa efa natolotr’i Iaveh teo an-tanako ianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotr’i Iaveh aho.