ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy,
Genesisy 29:25 - Baiboly Katolika Nony tonga ny maraina, indro fa i Lià io, ka hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony maraina ny andro, indro, hay i Lea ilay izy! Dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho? DIEM PROTESTANTA Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy? Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? ka nahoana no nofitahinao aho? Malagasy Bible Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho? La Bible en Malgache Nony maraina ny andro, indro, hay i Lea ilay izy! Dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho? |
ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy,
Dia nantsoin’i Abimeleka koa i Abrahama ka hoy izy taminy: «Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao.»
Ka hoy i Abimeleka: «Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin’ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay ianao.»
Ary nanan-janaka roa vavy i Labàna; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela.
Ary hoy i Labàna tamin’i Jakôba: «Fa naninona ity ianao? Nandiso fisainana ahy ianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra.
sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan’Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.
Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin’ny loholona: «Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon’i Iaveh tahaka an-dRasela sy i Lià ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon’i Israely. Ary ianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka ianao hampanan-daza ny anaranao any Betlehema.
Vao nahita an’i Samoela ravehivavy dia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin’i Saola hoe: «Ahoana no namitahanao ahy? Ianao no Saola».