Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:26 - Baiboly Katolika

Raha efa izany, hoy i Isaaka rainy, taminy: «Manatòna ianao anaka, ka manoroha ahy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy indray Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely hoe manoroka ahy, anaka!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’izany, dia hoy i Itsehàka rainy taminy: –Manatòna kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’izany, dia hoy i Itsehàka rainy taminy: –Manatòna kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy indray Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely hoe manoroka ahy, anaka!

Jereo ny toko



Genesisy 27:26
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro.


Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.


ary i Jakôba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany.


Lasa i Jôaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny i Absalôma, dia tonga tao amin’ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka ary nanoroka an’i Absalôma ny mpanjaka.


Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;


Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe: «Arahaba, Raby» dia nanoroka Azy.