Nahandro hanina indrindra i Jakôba no tonga avy any an-tsaha i Esao, efa trotraky ny harerahana.
Genesisy 25:30 - Baiboly Katolika Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma. DIEM PROTESTANTA ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena). Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Esao tamin’i Jakoba: Mba anomezo ahy honaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). Malagasy Bible Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). La Bible en Malgache Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma. |
Nahandro hanina indrindra i Jakôba no tonga avy any an-tsaha i Esao, efa trotraky ny harerahana.
Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.
Izao no taranak’i Esao, izay Edôma ihany: Naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Kanaana i Esao.
Magdiela loham-pirenena, Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin’i Edôma, araka ny fonenany, any amin’ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain’i Edôma.
Tamin’ny androny no nialan’i Edôma tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.
Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;
Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?
Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -
Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao: