Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.
Genesisy 25:29 - Baiboly Katolika Nahandro hanina indrindra i Jakôba no tonga avy any an-tsaha i Esao, efa trotraky ny harerahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indray andro, raha nahandro sakafo i Jakoba, dia tonga avy tany an-tsaha i Esao ka reraka. DIEM PROTESTANTA Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakôba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakôba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. Malagasy Bible Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. La Bible en Malgache Indray andro, raha nahandro sakafo i Jakoba, dia tonga avy tany an-tsaha i Esao ka reraka. |
Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.
Izay vao nomen’i Jakôba mofo sy sosoam-boanemba i Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.
Niverina nankany Galgalà i Elisea, ary nisy mosary tamin’ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany tamin’izany, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa ro ho an’ny zanaky ny mpaminany.»
Ny iray tamin’izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan’ala tamin’io izy nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo.
Ny marina mihinana sady afa-po tsara; fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa zoin’ny tsy ampy lava.
Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -
Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».
Namely ny Filistinina hatrany Makmasy ka hatrany Hajalôna izy ireo tamin’izany andro izany, ka reraka indrindra ny vahoaka,