Genesisy 25:21 - Baiboly Katolika Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Isaka dia nangataka tamin’NY TOMPO ho an’ny vadiny, satria momba izy, dia nohenoin’NY TOMPO ny fangatahany ka nanana anaka i Rebeka vadiny. DIEM PROTESTANTA Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Isaka nangataka tamin’i Jehovah ho an’ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’i Jehovah ny fangatahany, dia nanan-anaka Rebeka vadiny. Malagasy Bible Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny. La Bible en Malgache Ary Isaka dia nangataka tamin’NY TOMPO ho an’ny vadiny, satria momba izy, dia nohenoin’NY TOMPO ny fangatahany ka nanana anaka i Rebeka vadiny. |
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy.
Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Izay atahoran’ny ratsy fanahy, mihatra aminy; ary izay irin’ny marina kosa omen’Andriamanitra azy.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Masin’i Israely sy izay namorona azy: «Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin’ny ho avy, dia ny hanome didy Ahy ny amin’ny zanako sy ny asan’ny tanako?
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Fa hoy ny Anjely taminy. «Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joany no hataonao anarany:
ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»
Dia niteny indray i Helì ka hoy izy: «Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin’ny Andriamanitr’i Israely ny vavaka nataonao taminy.»
Nampirafy izy ka i Anà no anaran’ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa, ny anankiray. Nanan-janaka i Fenenà, fa i Anà kosa tsy mba nanan-janaka.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.