Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe.
Genesisy 25:13 - Baiboly Katolika Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Ismaely, araka ny anaran’ny taranany avy: Nebaiôta no lahimatoan’i Ismaely, dia i Sedara, i Adbeela, i Mabsama, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’Ismaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: I Nebaiota, lahimatoan’i Ismaela, i Kedara, i Adbela, i Mibsama, DIEM PROTESTANTA Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna, Baiboly Protestanta Malagasy Izao no anaran’ny zanakalahin’Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama Malagasy Bible Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama La Bible en Malgache Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’Ismaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: I Nebaiota, lahimatoan’i Ismaela, i Kedara, i Adbela, i Mibsama, |
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe.
ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.
Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy. Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.
Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!
Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
Fa mità àry eny amin’ireo nosin’i Setima ka mijere; maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara; dia jereo raha mba misy izay toy izao any.
Teny mamely an’i Sedara sy ireo fanjakan’i Hasora, izay nasian’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’i Iaveh: Mitsangàna, mandehana mamely an’i Sedara, aringano ny taranaky ny Atsinanana!
I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.
Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.