Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Genesisy 22:14 - Baiboly Katolika Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: ,Any an-tendrombohitra no hisehoan’i Jehovah.’ Malagasy Bible Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO. |
Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary ny Anjelin’i Iaveh niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Ary 18.000 hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.
Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany, ary nony mpanompony dia hanenina izy, rehefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.
Koa mifohaza maraina koa ianao, mbamin’ireo mpanompon’ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina ianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana».
Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»