Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Genesisy 22:13 - Baiboly Katolika Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany. DIEM PROTESTANTA Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama niherika nijery, ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ny zanany. Malagasy Bible Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany. La Bible en Malgache Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany. |
Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.