Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»
Genesisy 2:20 - Baiboly Katolika Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy. DIEM PROTESTANTA Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina mbamin’ny bidi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. Malagasy Bible Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. La Bible en Malgache Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy. |
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»
Ka nataon’i Iaveh Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony.
Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: