Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»
Genesisy 19:26 - Baiboly Katolika Niherika ny vadin’i Lôta, ka zary andry sira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa nitodika tany aorianany ny vadin’i Lota ka tonga vongan-tsira mitsangana. DIEM PROTESTANTA Ary niherika tany aoriana kosa ny vadin’i Lôta ka nanjary andry vongan-tsira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niherika tany aoriana kosa ny vadin’i Lôta ka nanjary andry vongan-tsira. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny vadin’i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. Malagasy Bible Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. La Bible en Malgache Nefa nitodika tany aorianany ny vadin’i Lota ka tonga vongan-tsira mitsangana. |
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahin’ny foko.