Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
Genesisy 18:22 - Baiboly Katolika Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma. I Abrahama kosa dia mbola nijanona teo anatrehan’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ny roa tamin’ireo lehilahy vahiny dia niainga ka nankany Sôdôma, fa ny TOMPO kosa mbola nijanona niaraka tamin’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny roa tamin’ireo lehilahy vahiny dia niainga ka nankany Sôdôma, fa ny TOMPO kosa mbola nijanona niaraka tamin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Jehovah. Malagasy Bible Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma. I Abrahama kosa dia mbola nijanona teo anatrehan’NY TOMPO. |
Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe:
Nifoha maraina koa i Abrahama, dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’i Iaveh.
Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy i Môizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.
Fa izao no navalin’i Iaveh ahy: «Na i Môizy sy i Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko; roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!
Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!
Nitady Aho, raha misy olona eo aminy, manao manda sy mitsangana eo amin’ny banga, eo anatrehako, hiaro ny tany mba tsy handravako azy, nefa tsy nahita Aho.
Fa i Etienina kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: «Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.»
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,