Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:18 - Baiboly Katolika

I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa i Abrahama, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa i Abrahama, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko



Genesisy 18:18
9 Rohy Ifampitohizana  

Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,


Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.


Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!


mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.


Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,