Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Genesisy 13:14 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana, DIEM PROTESTANTA Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah niteny tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; La Bible en Malgache Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana, |
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankatỳ aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.
Miakara any an-tampon’i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin’ny masonao, fa ianao tsy hìta io Jordany io.
Niakatra avy eo an-tany lemak’i Moaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.