Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.
Genesisy 11:29 - Baiboly Katolika I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska. DIEM PROTESTANTA Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’i Iska. Malagasy Bible Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska. La Bible en Malgache Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska. |
Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.
Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.
Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,
I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.
Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»