Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:12 - Baiboly Katolika

Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko



Genesisy 1:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.


mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,


«Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»


fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.


Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo.


Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo;


Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,


Hasoavin’Andriamanitra ny tany vontosan’ny orana milatsaka aminy matetika, ka mahavokatra anana tsara ho an’izay niasana azy;