Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Ezra 6:9 - Baiboly Katolika

Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, na vantotr’ombalahy, na ondralahy aman-janak’ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon’ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan’andro tsy tapaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny lanitra, na varimbazaha, na sira, na divay, na diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isanandro isanandro tsy tapaka

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zavatra ilain’ny mpisorona ao Jerosalema dia omena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka: na ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry hanaovana sorona dorana manontolo ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra, na koa ny varimbazaha sy sira na divay sy menaka, samy araka ny fandaharana ataon’ireo mpisorona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zavatra ilain’ny mpisorona ao Jerosalema dia omena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka: na ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry hanaovana sorona dorana manontolo ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra, na koa ny varimbazaha sy sira na divay sy menaka, samy araka ny fandaharana ataon’ireo mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry, ho fanatitra dorana ho an’Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka izany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny lanitra, na varimbazaha, na sira, na divay, na diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isanandro isanandro tsy tapaka

Jereo ny toko



Ezra 6:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra.


mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.


Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody, hanorenana indray io tranon’Andriamanitra io: ny haren’ny mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony, no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.


Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.


Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,


ka hoy izy tamin’i Aarôna: «Makà ianao zanak’omby tanora hatao sorona noho ny ota, sy ondralahy iray hatao sorona dorana izay samy tsy manan-kilema, ka atolory eo anatrehan’i Iaveh.


«Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.»