Ary nanatitra sorona teo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy i Israely rehetra niaraka taminy.
Ezra 6:16 - Baiboly Katolika Ary ny zanak’i Israely, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny Zanak’Israely, na ny mpisorona, na ny levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ny fahababoana dia nitokana io tranon’Andriamanitra io tamin’ny fifaliana. DIEM PROTESTANTA Ny Israelita nody avy any an-tsesitany, na mpisorona na levita na ny sarambabem-bahoaka, dia nitokana ny tranon’Andriamanitra tamim-pifaliana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Israelita nody avy any an-tsesitany, na mpisorona na levita na ny sarambabem-bahoaka, dia nitokana ny tranon’Andriamanitra tamim-pifaliana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ny fahababoana, dia nitokana io tranon’Andriamanitra io tamin’ny fifaliana; Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana; La Bible en Malgache Ary ny Zanak’Israely, na ny mpisorona, na ny levita*, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ny fahababoana dia nitokana io tranon’Andriamanitra io tamin’ny fifaliana. |
Ary nanatitra sorona teo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy i Israely rehetra niaraka taminy.
Namono omby 22.000 ary ondry 120.000 i Salômôna hatao sorom-pihavanana nateriny tamin’i Iaveh. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny zanak’i Israely rehetra ny tranon’i Iaveh.
I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.
Ny mponina voalohany, nonina tamin’ny taniny, tamin’ny tanànany, dia ny Israelita, ny Mpisorona, ny Levita, ary ny Natineanina.
Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.
Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;
Ka nisy fifaliana lehibe tao Jerosalema, ary tsy mbola nisy toy izany tao Jerosalema hatramin’ny andron’i Salômôna zanak’i Davida, mpanjakan’i Israely.
Omby 22.000, sy ondry 120.000, no novonoin’i Salômôna mpanjaka natao sorona. Toy izany no nanaovan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny fitokanana ny tranon’Andriamanitra.
Nony ren’ny fahavalon’i Jodà sy i Benjamina fa hoe manao tempoly ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny zanaky ny fahababoana,
Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.
Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.
Tamin’izany andro izany, dia notendrena ny olona hitandrina ny efitrano fitahirizana, hasiana ny fanatitra voatokana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena; ary nasaina nangonin’izy ireo, avy any amin’ny faritanin’ny isan-tanàna, ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita voadidin’ny lalàna, fa nahafaly an’i Jodà ny nahita ireo mpisorona sy Levita, samy eo amin’ny anjara toerany avy,
Dia toy izany no nahatafapetraka tamin’ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin’ny ankapobem-bahoaka, ny Natineanina, ary i Israely rehetra.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe: «Andeha isika ho any an-tranon’i Iaveh!»
Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.