Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely.
Ezra 5:10 - Baiboly Katolika Nanontanianay azy koa ny anaran’izy ireo, mba hampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran’ireo lohany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanontany ny anaran’izy ireo avy koa izahay mba hampahafantarinay anao ary hosoratanay ny anaran’ny olona izay mitarika azy. DIEM PROTESTANTA Nanontanianay azy koa ny anarany mba hahazoanay manoratra aminao sy hampahafantatra anao ny anaran’ireo lehilahy mpitarika asa izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanontanianay azy koa ny anarany mba hahazoanay manoratra aminao sy hampahafantatra anao ny anaran’ireo lehilahy mpitarika asa izao. Baiboly Protestanta Malagasy Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran’ny olona izay lohany; Malagasy Bible Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany; La Bible en Malgache Nanontany ny anaran’izy ireo avy koa izahay mba hampahafantarinay anao ary hosoratanay ny anaran’ny olona izay mitarika azy. |
Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely.
Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo?