Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.
Ezra 5:1 - Baiboly Katolika Ary ireo mpaminany, i Akzea mpaminany sy i Zakaria zanak’i Adô dia naminany tamin’ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Israely izay nanindry azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria, zanak’Ido, dia naminany tamin’ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Israely izay tao aminy. DIEM PROTESTANTA Indray andro, ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao dia nitondra hafatra ho an’ny Jiosy tao Jerosalema sy Joda, tamin’ny anaran’Ilay Andriamanitr’i Israely, Izay nanentana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro, ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao dia nitondra hafatra ho an’ny Jiosy tao Jerosalema sy Joda, tamin’ny anaran’Ilay Andriamanitr’i Israely, Izay nanentana azy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’Ido, naminany tamin’ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy. Malagasy Bible Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy. La Bible en Malgache Ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria, zanak’Ido, dia naminany tamin’ny Jiosy* tany Joda sy Jerosalema tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Israely izay tao aminy. |
Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.
Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:
Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminany ireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.