Ary nihady lavaka fantsakana hafa indray ny mpanompon’i Isaaka nefa mbola niadiana ihany koa io ka nataony hoe Sitnà no anarany.
Ezra 4:6 - Baiboly Katolika Ary tamin’ny andro nanjakan’i Asoerosa, tamin’ny fiandohan’ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy i Jerosalema izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha vao niakatra nanjaka i Ahasoerosy dia nanoratra ho any aminy ireo, hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. Malagasy Bible Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. La Bible en Malgache Raha vao niakatra nanjaka i Ahasoerosy dia nanoratra ho any aminy ireo, hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. |
Ary nihady lavaka fantsakana hafa indray ny mpanompon’i Isaaka nefa mbola niadiana ihany koa io ka nataony hoe Sitnà no anarany.
Ary azony tamim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosa, mpanjakan’i Persa.
Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy manao hoe: «ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.»
Nony tonga izy dia nohodidinin’ny Jody avy any Jerosalema, sady nampangainy tamin’ny zava-dehibe maro izay tsy azony noporofoina akory.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.