Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Ezra 4:5 - Baiboly Katolika

Ary azony tamim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosa, mpanjakan’i Persa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sady nanarama olona hanome hevitra hanohitra azy mba hahafoana ny heviny, hatramin’ny andro nanjakan’i Kirosy tany Persia ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Novidiny vola aza ny mpanolotsain’ny amperôra mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin’ny andron’i Kirôsa amperôran’i Persia ka hatramin’ny nanjakàn’i Dariôsa amperôran’i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Novidiny vola aza ny mpanolotsain’ny amperôra mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin’ny andron’i Kirôsa amperôran’i Persia ka hatramin’ny nanjakàn’i Dariôsa amperôran’i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin’ny andro nanjakan’i Kyrosy tany Persia ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy, mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sady nanarama olona hanome hevitra hanohitra azy mba hahafoana ny heviny, hatramin’ny andro nanjakan’i Kirosy tany Persia ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko



Ezra 4:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, toy ny taranak’i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, tatỳ aorian’ny nahafatesan-drainy.


Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.


Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany.


Ary tamin’ny andro nanjakan’i Asoerosa, tamin’ny fiandohan’ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy i Jerosalema izy ireo.


Nitsinjo an’ireo loholon’ny Jody anefa ny mason’ny Andriamanitr’izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin’ny asany izy, mandra-pahatongan’ny filazana ny raharaha tany amin’i Dariosa sy niverenan’ny taratasy momba izany.


Avy taminao no nivoahan’ilay misain-dratsy hanoherana an’i Iaveh, izay mamoron-kevitra mahameloka.