Niteny ianao, - teny tsy misy fotony, - nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?
Ezra 4:12 - Baiboly Katolika Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankatỳ aminay, dia tonga tatỳ Jerosalema, ka namboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, ka efa manao ny mandany sy mamboatra ny fototra izy izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna sady mpikomy no ratsy, mahavita ny mandany izy izao ary efa manamboatra ny fanorenana. DIEM PROTESTANTA Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanàna mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanàna mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny màndany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa. Malagasy Bible Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa. La Bible en Malgache Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy* izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna sady mpikomy no ratsy, mahavita ny mandany izy izao ary efa manamboatra ny fanorenana. |
Niteny ianao, - teny tsy misy fotony, - nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?
Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.
Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Izao no kôpian’ny taratasy nampitondrainy an’i Artakserksesa mpanjaka: Ny mpanomponao, ny olona atỳ an-dafin’ny ony, sns.
Aoka hokarohina ao amin’ny boky tantaran-drazanao, fa ho hitanao ao amin’ny bokin’ny tantara, ary ho fantatrao, fa tanàna fikomiana sy efa namohehatra ny mpanjaka sy faritra maro io tanàna io, sady efa fitrangàm-pikomiana hatry ny andro taloha. Ary izany ihany no nandravana io tanàna io.
Ary efa nanome didy aho, ka dia efa nokarohina, ary hita fa efa nikomy tamin’ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, sady efa nitrangàm-pikomiana amam-piodinana.
Tamin’io fotoana io ihany dia tonga tao amin’izy ireo i Tatanaì, governoran’ny any an-dafin’ny ony, mbamin’i Starbôzanay sy ny namany, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?»
Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo?
Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»
ka izao no soratra tao: «Efa mahoraka amin’ny firenena, sady lazain’i Gôsena koa fa hoe: Mihevitra ny hikomy ianao sy ny Jody, ka izany no nanaovanao ny manda; ary ianao, araka izany honohono izany, no mitady ny ho tonga mpanjakany.
Ary noho ny fahatezeran’i Iaveh no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy i Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan’ny tavany. Ary i Sedesiasa dia nidina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna.
«Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianao!
Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin’izao tontolo izao, filohan’ny antokon’ny Nazareanina,