Eksodosy 9:19 - Baiboly Katolika Ary izao dia asaovy hampidirina izay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian’ny havandra ka ho ringana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa. DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny àry, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny àry, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa. Malagasy Bible Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa. |
Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.
Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.
nandre ny feon’anjomara izy, saingy tsy niraika, ka dia ho eo aminy ihany ny rany; fa raha miraika izy, dia hahavonjy ny ainy.
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.