Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:18 - Baiboly Katolika

Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be Aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an’i Ejipta, ka mandrak’ankehitriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indro, rahampitso toy izao Aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatramin’ny andro niorenany ka mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indro, rahampitso toy izao Aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatramin’ny andro niorenany ka mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:18
14 Rohy Ifampitohizana  

Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»


Kanjo rehefa halefako ho atỳ aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao izy, dia horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao.»


Fa hoy i Elisea: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo. Izao no lazain’i Iaveh: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana.»


Izany tokoa, satria raha niteny tamin’ny mpanjaka ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria,»


Ka mbetika ny mba hanasazy ny taniny, mbetika ho mariky ny fanambinany no anirahany azy ireny.


Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra?


izay tahiriziko ho vonon-ko amin’ny andro fampahoriana, dia amin’ny andro misy ady aman-tafika?


Tahaka ny afo mandevona ny ala, tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;


Niakatra amin’ny tany Ejipta ny valala dia nipetraka tamin’ny faritanin’i Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany.


ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna.


Hisy fidradradradrana mafy eran’ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy tao azy intsony.


Ka indro ianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy.


ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta iray ny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.