Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.
Eksodosy 9:10 - Baiboly Katolika Koa nandraoka lavenona tao amin’ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan’i Faraôna, ary nataon’i Môizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin’ny olona sy ny biby. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. DIEM PROTESTANTA Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naka lavenona tamin’ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia natopin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. Malagasy Bible Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy. La Bible en Malgache Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy. |
Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Mandraofa ianareo lavenona eran’ny tananareo, eo amin’ny lafaoro lehibe, dia hataon’i Môizy savoan-danitra eo imason’i Faraôna izany,
fa hitora-jofo eran’i Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.»
I Iaveh hikapoka anao amin’ny didran’i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy lai-panafody.